ActualitésTsidika

Toe-karena manga : Nasiam-panavaozana ny fifanarahana mahakasika ny jono amin’ny Union Européenne

Efa ny taona 1986 no nanao fifanarahana voalohany tamin’ity vondrona ity i Madagasikara mahakasika ny fahafahany manjono ireo hazan-dranomasina sasany eto.  Ao anatin’ny « Convention des Nations Unies » no manambara fa mahazo alalana avy amin’ny firenena iray vao afaka manjono ireo « reliquat » ao amin’ilay firenena. Misy kosa ny vola aloha arakaraky ny karazan’ilay hazan-drano trandrahana. Efa fifanarahana faha 11 izao natao izao ka nasiam-panovana mba samy hahazo tombony amin’izany avokoa ny roa tonta dia ny vondrona Eropeanina sy i Madagasikara izany.

« Raha fehezina ity fifanarahana ity dia tafiakatra ho 12.880.000£ izany ka 4 taona eo  noho eo ny faharetany. Ny tahan’ny fitrandrahana dia nampidinina ho 14 000 taonina. Ireo sambo mpitrandraka raha 96 teo aloha dia nihena ho 60 kosa ary ny vola haloha ihany koa dia niaktra nanaraka izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

« Anisan’ny hahazo tombony amin’ity fifanarahana ity ihany koa ireo mponina any amin’ny toerana hitrandrahana ny trondro. Miisa 115 ireo tantsambo no hiasa amin’izany fitradrahana izany. Efa milamina izany ny fiainan’izy ireo ao anatin’ny 4 taona fifanarahana », hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy manaotao foana isika raha manome alalana ireo vahiny satria samy maahzo tombony avokoa ny tsirairay. Izany antsoina hoe fiaraha-miasa izay mitondra voka-tsoa ho an’ny Malagasy rehetra. Mila hentitra anefa ny fitondram-panjakana amin’ny fanaraha-maso amin’ny halatra na fanambakana mety hisy; ilaina fiaraha-miasa amin’ny vahoaka eny ifotony ihany koa anefa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire