ActualitésTatitra

Panama : Maherin’ny 20 no naratra noho ny fipoahana trano lehibe iray

Nisehoana fipoahana trano lehibe nisy rihana naherin’ny 25 tao afovoan’ny tanànan’i Panama ny talata teo. Maherin’ny 20 ny olona naratra nandritra izany raha ny tatitrin’ny talen’ny mpamonjy voina tao an-toerana, Abdiel Solis. Vehivavy iray kosa no tena voa mafy amin’ireo olona ireo, may ny 80% ny vatany hoy i tompon’andraikitra io.

Raha ny valin’ny fandihadiana voalohany natao dia « fuite de gaz » no nitarika ny fipoahana ho ny mpampanoa lalàna Julio Villarreal. Nahery vaika kosa ny fipoahana hoy ny talen’ny sampan-draharaha mpiaro ny sivily Carlos Rumbo ka voatery namoaka ireo olona rehetra teo amin’ireo trano lehibe manodidina ihany koa izy ireo.

Laisser un commentaire