Tatitra

Comores : Hatomboka ny tetikasa famatsiana rano fisotro madio ny renivohitra

Nahazo famatsiam-bola 5 tapitrisa dollars tamin’ny FSD (Fonds saoudien de développement) i Comores. Entina hanampiana ny tetikasa famatsiana rano fisotro madio ao amin’ny renivohitra Moroni izany vola izany.

Raha ny marimarina kokoa dia hampiasaina amin’ny fananganana orinasa vaovao mamokatra rano madio ao Moroni io famatsiam-bola io. Tafiditra ao anatin’izany tetikasa rano fisotro madio izany ihany koa ny fanarenana sy fananganana toeram-pitehirizana rano maromaro amin’ny nosy ary ny fanavaozana ireo tambajotra fitsinjarana rano fisotro misy ao Moroni.

Manodidina ny 83 000 ny mponina ao Moroni, izay mitsinjara amin’ny tanàna 17. Heverina fa hisitraka rano fisotro madio avokoa ireo mponina ireo arakin’ny tanjona fahaenin’ny ODD (objectif de développement durable) napetraky ny ONU.

Laisser un commentaire