ActualitésTatitra

Mexique : Mpanao gazety iray indray no maty

Nisy namono ny alatsinainy teo tao Tijuana indray i Margarito Martinez, 49 taona mpanao gazety ao Mexique, anisan’ny ireo voarahona ny volana desambra teo.Mpanao gazety faharoa namoy ny ainy tamin’ity taona ity tao aorian’ilay mpanao gazety iray nisy namono tao Veracruz ny 10 janoary teo izy. Nisy nitifitra izy, raha ny fanazavan’ny ministeran’ny firovam-pirenena ao an-toerana.Ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao gazety ireo kosa no antony hanenjehana azy. Efa nahatratra an-jatony ny mpanao gazety maty tao an-toerana hatramin’ny taona 2000.

Laisser un commentaire