ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nitarika resa-be ny lasan’ilay lehilahy nasiana fon-kisoa

Raha hiverenana kely ny zava-nisy dia lehilahy iray antsoina hoe David Bennett no nanaovana andrana fanasiana fon-kisoa tamin’ny olombelona voalohany. « Xénogreffe » no fiantso io fandidiana io ary nahomby tanteraka ny fanatanterahina azy.Nitarika resa-be tao amin’ny tambajotra sosialy kosa nefa io lehilahy namindrana taova io. Tsy noho ny fandidiana natao taminy izany fa noho ny lasany.Raha ny fantatra dia mpamono olona io lehilahy 57 taona io. Nanindrona antsy an’i Edward Shumaker tao amin’ny lamosiny izy tany amin’ny taona 1998 rehefa hitany niampofo ny vadiny io lehilahy io. Tsy afa-namindra intsony i Edward Shumaker noho izany ary maty roa taona tao aorian’ny tranga.Voasazy an-tranomaizina 10 taona i David Bennett noho ny heloka vitany. Nilaza kosa ireo akaiky an’io lehilahy novonoiny io fa tsy mendrika ny fandidiana azy i David Bennett na dia fon-kisoa aza no ho entiny amin’izao.Nanamafy kosa ireo mpandidy tao amin’ny toeram-pitsaboan’i Maryland fa mitovy avokoa ny fandraisana sy ny fanatanterahana ny fandidiana rehetra ary tsy mandraharaha ny lasan’ny olona mila fitsaboana ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire