Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites : Tontosa ny fihanihanan’ny Tale
Tontosa ny maraina teo tao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fandraisana ny fianihanan’ny Tale jeneralin’ny sampan’asa misahana ny fakana sy fangejana ny fananana sy harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites, ARAI), Rasoloharimanana Aimé. Natrehin’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry izany.
