Fampananan’asa: Azo atao ny miasa amin’ny tena manokana
Isan’ny olana lehibe eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny asa. Mitaraina ireo kanefa azo atao tsara ny mamorona asa ho an’ny tena. “Tsy mitady lavitra. Izay talenta sy izay manavanana no trandrahana ahitana vola. Tsara kokoa ny mandraharaha manodidina ny sehatra tiana” hoy i Emilien, mpandraharaha. “Azo atao tsara ny miofana dia avy eo miasa. Betsaka ny ivon-toeram-piofana misy eto. Ny fahaizana misafidy no tena tsara. Misy mantsy ireo tena mifototra amin’ny fampananan’asa ny tanora” hoy i Liana, tompona trano fivarotana iray lehibe. “Misy fianarana manao vy izao ato amin’ny BTC. Sehatra tena mivelatra sy be mpitady eto Madagasikara izany fanaovana vy izany. Tongava misoratra anarana aty amin’ny BTC Ambohimangakely. Tsotra ny tanjona dia ny hampandroso ny tanora indrindra ny eto Avaradrano” hoy i Ando, mpikambana ao amin’ny BTC. Vahaolana tokoa ny manangana orinasa ho an’ny tena amin’izao. Miainga amin’ny kely aloha vao miainga amin’ny lehibe.
