ActualitésTatitra

Gaza : Ankizy 6 taona iray no maty novonoin’ny liona

Ankizilahy 6 taona antsoina hoe Hamada no maty novonoin’ny liona tao amin’ny toerana ho an’ny mpizahatany iray tao Asda, Khan Younis ao Gaza. Ny alatsinainy teo no niseho io tranga io. Nihanian’ity zazalahy kely ity ny fefy nanasaraka ireo biby sy ireo olona mpitsidika ary nitsofoka tao amin’ny fefy nisy ny liona izy.

Avy hatrany dia notafihana liona iray i Hamada ary voakakitra teo amin’ny alohany. Nnetin’ireo tompon’andraikitra tany amin’ny hopitaly izy taorian’izany saingy namoy ny ainy teny an-dalana. Marihana fa efa malaza ratsy io valan-javaboahary ao Khan Younis io. Tamin’ny taona 2007 izany no nisokatra saingy nikatona ny taona 2016 noho ny tsy fahafahan’irep mpitantana izany namahana sakafo ny biby tao anatiny.

Raha ny fanazavana dia maro ny biby maty ny hanohanana tao amin’io toerana io tamin’izany fotoana.

Laisser un commentaire