Guinée : Mangataka ny famotsorana ny filoha Alpha Condé i France
Nanameloka ny fikasana hanongam-panjakana tao Guinée i France ny alahady teo nandritra ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Manam-pahefana maromaro tao amin’ny tafika mantsy no nanambara ny 5 septambra teo ihany fa nisambotra ny filoha Alpha Condé. Aty aminay ny filoha, azo antoka ny toerana misy azy ary efa nahazo fitsaboana izy hoy ny lehiben’ny tafika lieutenant-colonel Mamady Doumbouya tamin’ny anaran’ny komitim-pirenena ho an’ny famoriam-bahoaka sy ny fampandrosoana, niaraka tamin’ireo « putsch » nanao fanamiana sy nirongo fitaovam-piadiana.Marihina fa efa amam-bolana maro ity firenena ao Afrique andrefana ity no niharan’ny krizy ara-toekarena sy ara-politika. Manameloka ny fikasan’ireo tafika hibodo ny fitondrana i France ka nangataka avy hatrany ny famotsorana ny filoha sy ny famerenana amin’ny laoniny ny lalàm-panorenana. Niantso ireo minisitra sy ireo filohan’ny andrim-panjakana hivory kosa ny tafika ny alatsinainy teo tamin’ny 11 ora tao Conakry.
