ActualitésTatitra

Etats-Unis : Niteraka fahalotoanan’ny rano tao Mexique ny fandalovan’ny rivodoza Ida

Nampitondra takaitra be an’ny morontsirak’i Louisiane ny fandalovan’ny rivodoza Ida ny herinandro lasa teo. Nahitana fahalotoana ny rano tao an-toerana amin’iny « golfe » an’i Mexique 160 km an’i Nouvelle-Orléans. Petrola no mandoto ny rano ao an-toerana raha ny fanazavana, tao amin’ny faritra natokana hitehirizana sy ny hanaterana petrola mihitsy mantsy no niseho ny tranga.Efa nandefa “plongeur” kosa ny orinasa « texane » Talos Energy, manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny petrola an-dranomasina hijery ny fiavian’io fimparitahana io. Marihina nefa fa nitsahitra ny famokarana ny petrole tamin’io faritra io noho ny efa nisian’ny fivoahan’ny petrole ny taona 2017.

Laisser un commentaire