ActualitésTsidika

Avaradrano: Fandaharam-potoana amin’ny fanefana ny tetibidin’ny asa fametahana ny jiro mora

Nivoaka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fandaharam-potoana, handraisan’ireo tomponandraikitra avy amin’ny orinasa Jirama, ireo mpanjifa hisitraka ny jiro mora, ho an’ny distrika Avaradrano. Ny kaominina Ambohimangakely no hisantatra izany, izay manomboka anio.

“Araka ny fandaminana, taorian’ireo dingana fandraisana ny anaran’ireo mpisitraka ny jiro mora dia ho avy isaky ny kaominina ny caisse JIRAMA, hanamora ny tetibidin’ny asa branchement mora. Hasaina araka izany ireo nisoratra anarana ho avy anantona ny kaominina, araka ny fandaharam-potoana napetraka fa zava-dehibe ny fahatongavana amin’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny Jirama.

“Mandamina kokoa ny mampiasa ny jiro mora, na eo amin’ny sarany na eo amin’ny resaka fahalemana. Hita tokoa ny fiovana rehefa misy ny hazavana ka hisaorana ireo mpikarakara manao izany ho laharam-pahamehana” hoy i Fara, mpampiasa ny jiro mora.

Efa maro moa ireo misitraka ny jiro mora na ho an’ny eto Antananarivo na ny any amin’ny faritra. Anisan’ny manamora ny fiainan’ny mponina ny fisian’izany. Marihina moa fa efa miaraka amin’ireo fitaovana isan-karazany toy ny compteur, ampoule, ary prise izay hofaina isam-bolana ihany koa izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire