Fiara fitateram-bahoaka : Ireo tsara ho fantatra ho an’ny mpisehatra rehetra
Toerana iray hifamezivezen’ny olona maro isan-karazany ny fiara fitateram-bahoaka. Mpamily, mpanampy ny mpamily, mpandeha na ny mpanjifa. Ireo olona ireo dia samy manana ny fomba fiainany tany amin’izay nihaviany avy. Mitovy anefa ny olona rehetra rehefav tafiakatra ao anatin’iny fiara fitateram-bahoaka iny ka misy ny lalàna sy ny fahaiza-miaina tsara hananana.
Tsara hatrany ny fahaizana mankasitraka na aiza na aiza toerana aleha ary na iza olona manodidina ny tena. Tranga fahita matetika any anaty fiara ho an’ny daholobe any ny fampiakarana sy fampidinana ny seza volamena. Raha anjaranao iny seza iny dia tsara hatrany ny maneho fisaorana izay olona nampiakatra sy nampidina izany. Tsy ambakan’izany ny fahaizana manolo-tena, rehefa tery iny lalan-tsara iny dia azonao atao ny mampiakatra na mampidina ilay seza. Endrika iray hisehoan’ny fifanampiana izany. Tokony hahay hifanaja ihany koa ny rehetra ary hahay hisaotra rehefa tolorana vola na iza izy na iza.
Zava-dehibe ny fahadiovana ary tena ilaina, na ireo mpandeha izany na ireo mpamily sy ny mpanampy azy dia tokony samy madio. Fitateram-bahoaka ny fiara ka vahoaka maro no miditra sy mivoaka eo. Ilaina ny fahadiovana ho fitsinjovana ny hafa sy ho fahasalamana ho an’ny tena ihany koa.
Mila kojakojaina ihany koa anefa io fiara io, diovina rehefa maloto ary tokony rarahana fanafody mamono mikraoba matetika. Fotoana iray hanehoana ny soatoavina maha malagasy ny fandehanana fiara fitateram-bahoaka ka zava-dehibe ny fifanajana ao anatin’izany.
Miora Raharisolo
