ActualitésTsidika

Ambohimangakely  : Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny fitsidihana ny zaridaina eo Ambodivoara

Nanomboka tamin’ny asabotsy 17 desambra teo no nisokatra ary azon’ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy manodidina ny zaridana Ambodivoara. Misy ireo jiro maro loko sy haingo isan-karazany ho an’ny fankalazana ny noely no hita eny an-toerana, raha ny voalaza.

« Ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny noely sy faran’ny taona amin’ity taona 2022 ity, dia manome hafaliana ho an’ireo mponina ny kaominina amin’ny alalan’ny fanaingona sy fanehoana jiro maro loko eny Ambodivoara » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Anisan’ny mampiala voly ary manome hafaliana, indrindra ho an’ireo ankizy ny hetsika tahaka izao. Tsy mila miakatra any andrenivohitra intsony mampifaly ny ankizy fa dia ety ihany dia afa-po ny mpianakavy ka hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fikarakarana » hoy i Zoly, mponina ao Ambohimangakely.

Manomboka amin’ny 6 ora hariva moa no manomboka ny firehetan’ny jiro eo amin’it zaridaina ity ary misy ihany koa ireo kilalao isan-karazany ho famalifaliana sy hanomezana fahafa-po ny rehetra amin’izao ankatoky ny fety izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire