Fahasalamana : Mampihatra ny paik’ady « approche syndromique » ny Minisitera
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mampihatra ny paik’ady « Approche syndromique » ny Minisitera mba tsy hampitombo isa ireo marary iharan’ny fahasarotana.
« Manatona ny tobim-pahasalamana avy hatrany ireo olona rehetra misy sortir’aretina. Omena fanafody avy hatrany izay maimaim-poana avokoa. Tsy mila miandry ny valin’ny fitiliana akory » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Maimaimpoana avokoa ireo fanafody toy ny vitamine C, Azitromicine, Magné B6, CVO. Vidiana kosa ireo fanafody ankoatra ny fanafody tsy misy idiran’ny valan’aretina coronavirus » hoy i Dr Razafimahatratra Rado, tale jeneralin’ny fampitaovana sy fitsaboana eo amin’ny Ministera.
« Tsy tokony hisalasala hanatona ny tobim-pahasalamana isika raha vao misy tsy tomombana. Tsara tokoa manty raha voatsabo mialoha ny aretina » hoy i Vonjy, isan’ireo mararin’ny coronavirus efa sitrana. Misy mpiasan’ny Minisitera avokoa ireo tobim-pahasalamana fototra rehetra izay manara-maso ny fanatanterahana io paik’ady io. Tsara tokoa raha voatsabo mialoha ny aretina izay mahazo ny olona iray.
Nicole Rafalimananjara
