Fandriam-pahalemana : Mpitandro filaminana nahiditra am-ponja
Nahiditra am-ponja any Antanimora ilay mpitandro filaminana voarohirohy tamin’ny halatra kodiaran-droa teto an-drenivohitra. Hoesorina amin’ny asany ihany koa izy fa mandoto rano ny mpitandro filaminan.
« Efa mikarakara ny antotan-taratasy hanajanonana azy tsy ho mpitanro filaminana intsony izahay » hoy ny Minisitra tompon’andraikitra. « Atahorana ity mpitandro filaminana ity rehefa mivoaka ny fonja eo. Mpitandro filaminana aza izy dia efa manahirana maika fa tsy ho izy intsony » hoy i Rova, mponina eny Antaninarenina. « Ny fitiavan-kely ihany no ahitan-doza. Ny fahaiza-mionona amin’ny karama isam-bolana no tena mampandroso » hoy i Gerard, mpahay fiarahamonina.
Ny mpitanro filaminana natao hametraka ny fandriam-pahalemana indray izany no manatevin-daharana ny dahalo. Fitiavan-kely tokoa no tena mahatonga izany izay sakana lehibe tsy mampandroso antsika.
Nicole Rafalimananjara
