CTC Soamandrakizay : Tafiakatra 15 sahady ireo marary noraisina tamin’ny andro voalohany
Nisokatra nanomboka ny 27 desambra lasa teo ny CTC Soamandrakizay. Tafiakatra 15 sahady ny olona noraisina an-tanana nandritra ny andro voalohany nisokafany.
« Afaka manatona ety avokoa ireo olona izay manana sortir’aretina covid-19 » hoy i Dr Andriamiandra Isaïe, mpandrindra ara-pitaovana eny an-toerana. « Efa saika feno avokoa ny toeram-pitsaboana miankina sy tsy miankina eto andrenivohitra. Tena manampy betsaka tokoa ny fisokafan’ity CTC ity amin’ny fandraisana ny mararin’ny coronavirus » hoy i Hary, nitondra ny havany notsaboina teny Soamandrakizay.
« Ahitana concentrateur d’oxygène avokoa ireo fandriana miisa 128. Ary misy ny « groupe électrogène » lehibe manana tanjaka 110kva avy amin’ny Jirama hatao fiandry amin’ny ho mety fahatampahan-jiro tampoka » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Miakatra tokoa ny isan’ny marary. Tsy mitsahatra mitady vahaolana ny tompon’andraikitry ny fahasalamana eto amintsika. Tsara anefa ny misoroka toy izay mitsabo, ary tokony hajaina hatrany ireo sakana ara-pahasalamana.
Nicole Rafalimananjara
