Ambohimanambola : Nirotsaka an-tsehatra ny avy amin’ny zandarimaria nandritra ny fety
Tsy nipetra-potsiny ireo avy ao amin’ny zandarimaria avy ao Ambohimanambola, fa nandray ny andraikitra manandrify azy, nandritra ny fety fankalazana ny fetim-pirenena tao an-toerana. Hentitra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo nandritra izany, raha ny voalaza.
« Vahoaka milamina sy miaina ny fety am-pifaliana no tanjona napetraky ny zandarimaria. Mba hahatontosana izany, maro ireo fepetra tsy maintsy noraisana sy napetraka mba hitandroana ny filaminana tety an-toerana, nandritra ireo hetsika fankalazana rehetra » hoy ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana.
« Ny tena tanjona dia ny tsy hisian’ireo zatovolahy mivorivory, indrindra amin’ny toerana miafina sy elakelan-trano. Toerana toa ireny matetika no mahatonga ny fihitaran’ny saina hanao zavatra ratsy isan-karazany. Ka ireo tratra dia ho samborina avy hatrany ary ho faizina araka ny lalàna » hoy hatrany ny fanazavana.
Etsy ankilan’izany, manentana hatrany ny mponina ny zandary mba ho sahy mitoroka sy handray fepetra, hiantso sy hampandre ny mpitandro filaminana raha mahita na mahatsikaritra tranga hafahafa mba hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana.
Manitra R.
