Fanaovan-gazety : Ny herin’ny haino vaky jery
Iaraha-mahita, indrindra rehefa mijery vaovao avy any ivelany, fa mahazo toerana lehibe ny fitaoman’ny haino aman-jery. Manana hery tsy azo lavina eo amin’ny fiaraha-monina maneran-tany ny haino vaky jety ankehitriny.
Izany hery izany dia hita taratra amin’ny fahaizan’izy ireo manamboatra ny fomba fisainana eo amin’ny fiaraha-monina. Mety alaim-panahy isika hilaza hoe « mamolavola fomba fisainana ». Na izany aza, Misiko mangina ny fomba famolavolana ny fisainana, ary amin’ny voalohany dia amin’ny fomba ankolaka no hanodinana ny saim-bahoaka. Hery ny haino vaky jery satria manana fitaovana sy rafitra manome azy ireo fahafahana hametraka ny fomba fijery. Vokatr’izany dia mametra ny fihetsiky ny hery hafa izy ireo.
Afaka mametraka fandaharam-potoana momba ny olana ara-politika, ara-tsosialy ary ara-toekarena izy ireo, afaka manimba ny lazan’ny fikambanana, olona na vondron’olona. Amin’ny alalan’io lafiny io indrindra no ahafahantsika mihevitra azy ireo ho tena hery. Manana fahaiza-manao izy ireo fa manimba ny lazan’ny orinasa iray.
Amin’ny fiaraha-monina ankehitriny, ny haino aman-jery dia mandray anjara amin’ny firongatry ny soatoavina mba hanaiky azy ireo ho manan-kery. Dieny mbola kely isika dia voavolavola, ary miaina haingana be miaraka amin’ny fitaovam-pifandraisana vaovao.
Mandray anjara betsaka amin’ny famahana ny fomba fisainana ny fampahalalam-baovao, amin’ny famaritana ny hevitra, ny fahazarana ary ny fomba amam-panao. Lasa « mpitsara ny fahamarinana » ny haino vaky jery, manapa-kevitra sy mandidy ny lamaody, ny fihinanana, ny fomba fiaina. Izy ireo dia mametraka ny tsara sy ny ratsy, ary manapa-kevitra izay zava-nitranga manan-danja eto amin’izao tontolo izao.
Misy ny ady any Syrie, to tsy misy miresaka. Misy ny ady any Ukraine, toa lasa « spécialiste » daholo isika rehetra. Matoa ianao miandany amin’i Russie, dia misy torohay nomen’ny haino vaky jery anao izay. Matoa ianao miandany amin’ny tandrefana, dia misy torohay nomen’ny haino vaky jery anao koa izay.
Herimalala Ratsimbazafy
