Anjeva : Ny ekipan’ny Interpool sy ny 4FLA no nandrombaka ny amboaran’ny ben’ny tanàna
Tontosa tamin’ny sabotsy famaranana ny taona teo ny lalao famaranana tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2022, eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy lahy sy vavy, tao amin’ny kaominina Anjeva gara. Niady ny lalao ary nahazo ny anjarany avokoa ireo mpandray anjara nandritra izany, araka ny voalaza.
« Nandresy tamin’ny lalao baolina kitra, fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ary nandrombaka ny amboara, omby lehibe iray, ny ekipan’ny Interpool Anjeva, teo amin’ny sokajy lehilahy. Ny ekipan’ny 4FLA Lambomanana kosa no nibata ny amboara, nahazo ondry kosa, teo amin’ny sokajy vehivavy » hoy ireo mpikarakara ny lalao.
« Tsy diso anjara ireo mpilalao teo amin’ny laharana faharoa fa notolorana ny anjarany avokoa, araka ny fampanantenana izay natao. Ka nandritra izany ihany koa no nanolorana ny vola 200 000ar ho an’ny FC Salazana, sokajy lehilahy ary baolina (ballon de foot version Qatar 2022) no azon’ny sokajy vehivavy laharana faharoa dia ny FC Famille Mangarano » hoy hatrany ireo mpikarakara.
Samy naneho endri-dalao nahafinaritra moa ireo ekipa izay niatrika ny famaranana ity. Marihina ihany koa fa nankalaza ny faha 10 taona nijoroany ny ekipa mpandresy tamin’ny fifaninana ity, dia ny Interpool Anjeva izany.
Manitra Ramanantsoa
