ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitohy amin’ity volana novambra ity ny fiofanana maimaim-poana ao amin’ny BTC

Mbola hitohy mandritra ity volana Novambra ity ny fiofanana maimaim-poana, ho an’ireo taranja rehetra efa nisy sy ny vaovao ao amin’ny BTC ao Ambohimangakely. Mitohy araka ny voalaza ny fandraisana ireo mpianatra sy  ny fisoratana anarana eny amin’ny ivon-toerana.

“Noho ny hetahetan’ireo tanora, izay maro no liana tamin’ny fiofanana kanefa tsy nahasoratra ny anarana tamin’ny volana oktobra. Omena fahafa-po izy ireo amin’ny fitohizan’ny fiofanana maimaim-poana mandritra ity volana ity. Koa entanina sahady ireo liana mba hisoratra anarana ary haka fanazavana fanampiny amin’ny tomponandraikitra” hoy I Tata, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

“Anisan’ny nanampy ahy, nahalalako zava-baovao ny fanarahako fiofanana tato amin’ny BTC. Ary mieritreritra ny hanaraka izany hatrany fa tsy hijanona satria mbola misy karazana fiofanana hafa mifameno amin’ny niarako tato” hoy I Miora, mpiofana ny taranja Comptabilité.

“Tsy ireo karazana fiofanana izay atolotry ny ivon-toerana ihany no maimaim-poana mandritra ity volana ity fa ireo hetsika isan-karazany efa nahafantarana ny BTC hatramin’izay ihany koa toy ny musculation, ny aikido sy ny maro hafa. Ireo tanora sisa no handrasana” hoy hatrany I Tata, tomponanadraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

Manampy betsaka ny tanora amin’ny fianarana na hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ireo fiofanana ao anivon’ny BTC. Marihina moa fa ny taranja frantsay, anglisy, ny informatique, Cuisine et Pâtisserie, Ferronnerie d’art, Menuiserie, Plomberie de base, Comptabilité, Fiscalité, Education financière, Marketing et communication, Leadership, Psychologie ary ny Business entrepreneurship no hianarana ao anatin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire