Maurice : Nisongadina nandritra ny fiadiana tompondaka ny tolona i John Léopold sy Jenelly Raphaël
Mpifanina roa no tena nisongadina nandritra ny fiadiana tompondaka ny tolona 2023 tao Maurice dia i John Léopold, 20 taona sy Jenelly Raphaël, 17 taona. Voafidy ho « meilleurs techniciens » izy mianadahy ireo nandritra ny fifaninana natao tao amin’ny kianja mitafo Pandit Sahadeo tao Vacoas ny alahady teo.
Voafidy tamin’ny « compétition en lutte libre » sokajy 57 kg i John Léopold raha voahosotra ho tompondakan’ny tolona vehivavy teo amin’ny sokajy 68 kg kosa i Jenelly Raphaël. Manoloana izany dia voafantina amin’ny fifantenana manaraka izay hiatrika ny lalaon’ny nosy amin’ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra aty Madagasikara izy mianadahy ireo.
Hanampy an’isa ireo tanora sangany tsikaritrin’ny tompon’andraikitra ara-teknika, Maren Delis eo amin’ny taranja ireo tanora ireo hoy ny filohan’ny federasiona ny tolona ao Maurice, Richard Papie.
