Ambohimanambola: Manomboka manatanteraka ny asa ny servisy Raoka fako
Nanomboka tamin’ny alatsinainy 30 janoary teo no nampiharina sy nandray ny asany ny servisy raoka fako amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ity servisy ity izay misahana ny fandraofana ny fako ventiny ao amin’ny kaominina ary mbola ao amin’ny fokontany gara no nisantarana izany hatreto, raha ny voalaza.
“Mbola amin’ny fokontany taratra Ambohimanambola Gara hatreto no misy ny servisy raoka fako. Na izany aza dia efa mijery sahady ireo paikady ahafahana manitatra ny servisy ao amin’ny Fokontany Tanjonandriana sy Ampahimanga ny eto amin’ny Servisy” hoy ireo tomponandraikitra misahana ny servisy raoka fako.
“Anisan’ny mety ny fametrahana ity servisy ity manoloana ny olan’ny fako izay miparitaka isaky ny kion-dalana eto amin’ny fokontany. Mila ampiana kosa anefa ireo olona misahana izany satria amin’izao fanombohana izao efa hita ho tsy maharaka ny fangalana ireo fako any amin’ireo secteur any ambony vohitra” hoy I Fanja, mponina ao Ambohimanambola.
Amin’izao fotoana izao moa, manodidina ny 432 isa ny tokantrano sahanin’ny servisy raoka fako ao an-toerana. Marihina moa fa andoavana sarany manomboka amin’ny 1000ar ny fakana ireo fako isan-tokatrano.
Manitra R.
