ActualitésTatitra

Maurice : Naharay fatra 500 000 tamin’ny vaksiny Sinopharm

Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Plaisance any Maurice ny fatra 500 000 amin’ny vaksiny Sinopharm omaly alakamisy 20 may hariva, taorian’ny nandraisana ny fatra 100 000 maimaim-poana ny volana aprily lasa teo. Tsy ho maimaim-poana tahaka ilay teo aloha intsony ity vaksiny ity fa ho vidiam-bola amin’izay, ka mbola tsy fantatra hatreto izay vidiny satria ny governemanta samy governemanta no mifanaraka. Ny vaksiny Sinopharm izay afaka miady tsara amin’ny tsimok’aretina ka tsy atahorana hiteraka aretina hafa indray, hoy ny mpitsabo Vasantrao Gajudhur, saingy tsy hay hoy izy na afaka hiady amin’ny variant misy any Maurice izy izay « variant of interest ». Nilaza i Dr Sanjiv Rughooputh, mpahay ny tsimok’aretina any Angleterre, fa tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fisian’ny « variant » ny vaksiny satria miaro tsy ho azon’ny aretina ny vaksiny fa tsy mitsabo akory.

Laisser un commentaire