Sabotsy Namehana : Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana
Manjaka ny tsy fahandriampam-pahakelamana ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Mitaraina ireo mponina manoloana izany. Nitrangana fandrobana ny tokan-trano iray ny alin’ny alatsinainy lasa teo ary saika nandrenesana fandrobana hatrany tao amin’ny fokontany Antsahatsiresy, Sabotsy Namehana, tato ho ato, araka ny voalaza.
« Ireo mpiompy no tena lasibatra amin’ny tsy fahandriam-pahalemana. Tena efa mila ho isan’andro mihitsy no hisehoan’ny trangana fandrobana ety Sabotsy Namehana, koa mba manaitra ireo mpitandro filaminana fa tena mijaly ireo mponina » hoy i Henriette, mponina ao Sabotsy Namehana.
« Misy ny fiaraha-mientan’ny mpiray vodi-rindrina manao ny fiandrasana sy fiambenana isan’alina, saingy hatreto aloha tsy mbola tratra ireo mpanao ratsy » hoy i Tovo, mponina ao Sabotsy Namehana.
Ireo biby fiompy no tena lasibatra amin’ny fangalarana amin’ny alina. Tsy ny alina ihany anefa fa misy ihany koa ny hala-botry ny andro. Ilàna fiheverana ity tsy fahandriam-pahalemana ity, izay mampitondra faisana ny mponina, hanaovana antso amin’ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana.
Manitra Ramanantsoa
