Ankadikely Ilafy : Hisy ny fampiofanana ireo mpanazatra ny taranja baolina kitra
Hisy ny fampiofanana ho an’ny mpanazatra ny taranja baolina kitra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hotanterahina ny 4 hatramin’ny 10 jolay 2022 izany.
« Tafiditra amin’ny hetsika ho fampiakarana ny lentan’ny baolina kitra eto amin’ny kaominina ity fampiofanana ho atao ity. Mpampiofana matihanina avy amin’ny federasionan’ny Baolina kitra Malagasy no handray an-tanana amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely ilafy. « Miantso antsika izay liana amin’ity fiofanana ity ho tonga eny amin’ny biraon’ny kaominina. Hisy ny mari-pahaizana hozaraina amin’ireo nahavita fiofanana aorian’ny tombana ho atao » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija
Hifarana ny 2 jolay 2022 ny fandraisana ny anaran’ireo liana te handray anjara amin’ity fampiofanana ity. Miankina be amin’ny mpanazatra tokoa ny hoavin’ny ekipa iray. Hirariana ho betsaka ny mpandray anjara amin’ity fampiofanana ity.
Nicole Rafalimananjara
