SocialTsidika

Nanolotra 40 tapitrisa dolara ho an’ny any Atsimo i Etats-Unis

Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Tsy voafehy mihitsy ny olana hatreto ka izay no mahatonga ny olana tsy voavaha mihitsy hatramin’izao. Tetik’asa maro indray no efa miainga any amin’izao izay kendrena mba ho vahaolana maharitra amin’izay hoy ny filoham-pirenena. Nanolotra vola mitentina 40 tapitrisa dolara (157 000 tapitrisa ariary) ho fanampiana vonjy taitra ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny governemanta any Etats-Unis.

Ity famatsiam-bola ity dia hahafahana manome fanampiana ara-tsakafo, hitondra fitsaboana ho an’ireo reny sy ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, hanatsara ny fahadioavana sy ny fidiovana sy hanavao ireo lava-drano hahafahan’ireo mponina misitraka rano fisotro madio. Olom-pirenena Malagasy iray no naneho hevitra ka niteny hoe « Tsy ny vola no olana ho an’ny any Atsimo satria efa oatrinona izay no tetibola natokana ny kere tany, miampy ity vola amin’ny tapitrisa Dolara ity, fa ny toe-tsaina no tena ilaina ho ambony izay toe-tsaina tia mandroso ary tsy mikatsaka afatsy ho an’ny fampandrosoana ny firenena ihany. Ny tombotsoan’ny firenena no mila jerena raha tia fandrosoana tokoa, ny paikady maty paika ihany koa no isan’ny vahaolana faharoa satria ny vola efa misy ». Hanova ny tantaran’ny any Atsimo tokoa ve izao ezaka rehetra izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire