Takarivan’Iarivo : Mbola nahaliana ny maro an’isa ny takarivan’Iarivo
Ny taona 2020 no napetraka voalohany ny « takarivan’Iarivo », fotoana iray natao hialana voly ho an’ny fianakaviana tsirairay izay efa vizaky ny herinandro ka mba te haka aina. Isaky ny faran’ny herinandro izy io no hatao saingy noho ny valan’aretina covid-19 dia nijanona izany ka amin’izao fotoana izao izy io dioa naverina indray rehefa hita fa voafehy ny aretina. Ny faran’ny herinandro teo no natao izany ary hita fa mbola maro ireo mpankafy izany. Nilamina araka ny tokony ho izy ihany koa ny fotoana rehetra.
« Fotoana iray natao hialana voly izy io ary tsy mifidy taona. Miara-miasa amin’ny polisim-pirenena ho fitandroana ny filaminana ka tsy misy ny hatahorana. Efa maro ny tonga ary afa-po tamin’ny karazana tolotra maro isan-karazany », hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo, mpikarakara ny hetsika.
« Ankoatra ny takarivan’iarivo dia nisy ihany koa ny Tsangatsangan’Iarivo rehefa alahady tolak’andro. Maro ny zavatra hita tamin’izany, kilalao, varotra, fampirantiana, fampisehoana sy ny maro hafa. Izany rehetra izany dia fanomezana toerana ireo sehatra’asa maro isan-karazany. Tsy nampitsanga-menatra rahateo izany satria samy afa-po daholo na ny mpikarakara na ireo mpisehatra na ireo mpitsidika », hoy hatrany ny fanazavana raha nanao ny tomban’ny andiany voalohany iny.
Rehefa reraky ny asa sy ny fianarana dia azo hatao sy ilaina ny miala voly kely. Na sarotra aza ny fiaianana tsy voatery handany vola be fa mba mivoaka kely miala amin’ny fisainana asa. Manome toky ny hetsika tahaka izao izay novolavolaina ho an’ireo iazy tena tsy afaka mivoaka lavitra makany ambanivohitra. Ilaina foana ny maka aina kely rehefa reraka loatra.
Miora Raharisolo
