Anjeva : Ankizy 173 nisitraka ny hetsika ara-tsosialy tao amin’ny kaominina
Nisy ny hetsika fizarana hafaliana ho an’ireo ankizy 4 ka hatramin’ny 8 taona, izay notsongaina tamin’ireo fokontany miisa 10 ao anatin’ny kaominina Anjeva gara, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny voalaza, ankizy miisa 173 no nisitraka izany hetsika izany tao an-toerana.
« Nampihetsi-po ny nahita ny hafaliana sy fihetsika nasehon’ireo kilonga madinika nandray ireo fanomezana. Tolorana fisaorana ny fikambanana mpanao asa soa sy ireo malala-tanana nifanampy nahatontosana ny hetsika. Satry moa hoe ahazo daholo ny ankizy rehetra tato amin’ny kaominina kanefa voafetra ny enti-manana dia notsongaina nasiana solontena isam-pokontany izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Faly ny ankizy nahazo ny fanomezana sy ny fanampiana, faly ihany koa ireo ray amandreny manoloana izao hetsika izay anisan’ny nanamarika izao fankalezana ny fetin’ny noely izao, izay hisaorana feno ireo fikambanana sy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina » hoy i Vola, mponina ao Anjeva.
Tsiahivina fa kilalao isan-karazany no nozaraina ho an’ireto ankizy ireto. Nisy ihany koa ny fampianarana, fijerevana sary miaina, fihainoana angano, ny fizarazana tohan’aina sy sakafo atoandro ary ny fizarana akanjo sy fitafiana isan-karazany no niseho nandritra izany.
Manitra Ramanantsoa
