ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo kilalao ireo ankizy sahirana

Nisy ny fizarana kilalao sy ody ambavafo ho an’ireo ankizy sahirana ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Izany no tontosa noho ny fiaraha-miasa teo amin’ireo ekipa avy amin’ny Sampandraharaha Misahana ny Asa Sosialy sy Politika eo anivon’ny Presidence (DASP) sy ny ekipa avy ao amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy.

« Efa manakaiky ny fety izay fotoana indrindra ahatsiarovantsika ireny ankizy sahirana tsy misy mpiahy ireny, izay hanasana izay rehetra afaka mizara izany » hoy ny avy ao amin’ny DASP. « Ny Akany Ny Hoaviko eto Masinandriana sy ny Ivon-Toeram-pampianarana Mamaky Teny sy Manoratra ary Mikajy eto Belanitra no nisitraka izany fanomezana izany tamin’ity fotoana ity » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy.

« Misaotra tamin’ny fizarana. Na dia kamboty sy sahirana aza izahay ankizy dia tsy navelanareo irery fa nitondra izay azonareo natao ianareo » hoy ny solontenan’ireo tao amin’ny Ankany. Tsy kilalao ihany no nozaraina nanditra izao fety izao fa niampy fitaovana fahandroan-tsakafo ho an’ny Akany sy ny Ivon-toerana toy ny vilany roa lehibe avy.

Faly ireto ankizy nahazo kilalao sy sakafo ho azy ary hita soritra teny amin’ny endriny izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire