Alasora : Mitohy ny fizarana fifaliana amin’ireo mpianatry ny EPP
Mitohy hatrany ny fizarana ny mamy ho an’ireo mpianatra ao Alasora amin’izao fetin’ny ankizy efa akaiky izao. Ny ankizy tokoa mantsy no tena am-pifaliana rehefa noely tahaka izao.
« Hahazo ny anjara kilalao sy vatomamy ary chocolat ny mpianatra maneran any EPP 12 eto amin’ny Kaominina » hoy ny Ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Ny mpianatry ny EPP Alasora, Ambatomalaza, Amboaroy, Ambodivondava, Mendrikolovana ary Miadana no notolorana kilalao sy vatomamy androany » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny fizarana.
« Tsy nolalovanareo fotsiny ihany izahay mpampianatra fa nitondranareo vary sy menaka ka misaotra indrindra » hoy ireo mpampianatra Fram.
Noely mizara fifaliana tokoa satria tena faly sy nankasitraka ireo mpianatra kely izay tsy manana fahafahana hividy kilalao ny ray aman-dreniny. Tsara ny ezaka ary raha mifanohana tahaka izao daholo iiska dia handroso ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
