ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Mitohy ny fanomezana rano ny mponina

Eo andalam-pahavitana ankehitriny ny fantsakana lehibe miisa 3 eo Antsimombohitra sy Antanety ary Ambohitra, ao anatin’ny Kaominina Anjeva Gara. Efa vita tanteraka kosa ny teo Ambohitra raha ny roa sisa no andrasana ny fahavitany.

« Tena ritra ny rano ka tena mila fatsakana tahaka izao izahay satria ho lavon’ny kere eto raha mitohy izao tsy fisian’ny orana izao, izay mandritra ny vovonay » hoy i Aimé, mponina ao Anjeva Gara. « Faly ny olona satria tena mamaha ny olan’ny rano izay misy amin’izao fotoana ireto fotodrafitr’asa ireto. Miandry fatratra ny hahavitany izy ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. « Andrana ihany ireto fa mbola hitohy any amin’ny fokontany hafa ny tetik’asa satria iaraha-mahalala ny tsy fahampian’ny rano » hoy hoy i Haja Yves Raoeliarison, ben’ny tanàna ao Anjeva Gara.

Ilaina tokoa ny tetik’asa mikendry ny fiainam-bahoaka tahaka izao. Ny rano tokoa mantsy dia aina ka antoky ny fiainan’olombelona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire