ActualitésTsidika

Farafangana : Sady handoa vola be no ho tapa-pe ireo izay tratra manao maloto ankalamanjana

Manimba tontolo iainana sy manakorotana ny manodidina ny fanaovana maloto eny ankalamanjana. Nivory ny mponina tao Ambohitrabo Farafangana, nitady ny sazy ho an’ireo izay tratra manao maloto.

« Miteraka fofona ratsy tsy azo iainana ho anay mpandalo loatra ny fahazaran-dratsin’ny olona sasany manao maloto eny amoron-drano sy ambony tetezana » hoy i Mira, mponina ao Ambohitrabo. « Tapaka fa ampandoavina vola 100 000 Ar miampy daroka ho tapa-pe izay tratra manao maloto. Ary efa napetrakay amin’ny tetezana ny filazana fampitandremana mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny » hoy ny Filoham-pokontany ao Ambohitrabo.

« Efa betsaka ny soratra milaza ny tsy tokony hanaovana maloto fa eo indrindra no tena asian’ny olona, ny rehetra anefa no mizaka ny fofona eo fa tsy izay manao maloto akory » hoy i Gabriel, mpianatra mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Amin’ny fotoana main’andro toy izao tokoa no tena midonaka ny fofona amin’ity tetezana ity hany ka tena mimenomenona ny mpandalo. Hampitsahatra ny fahazaran-dratsy ve ity dina ity ?

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire