ActualitésTatitra

Comores : Hilatsaka ho fidiana amin’ny taona 2027 i Claudy Siar

Mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo sy mpanolotra ny « Couleurs Tropicales » ao amin’ny RFI i Claudy Siar. 26 taona no nisahaniny izany asa izany ary maniry ny hiova taranja indray izy. Kandida amin’ny fifidianana ao amin’ny nosy Comores amin’ny taona 2027 ny tenany ary nanangana ny antoko vaovao « Génération, Consciente et Agissante ». Tanjon’io antoko io raha ny fanazavany ny fampiroboroboana taranaka mihevitra sy mirotsaka an-tsehatra kokoa.

Isany kendren’i Claudy Siar akaiky i Guadeloupe izay mampivondrona ny kolontsaina avy ao Afrique, Inde ary Europe. Maniry ny hampianatra ny zo sy ny adidy ireo taranaka izay voahilikilika matetika ao an-toerana izy ary handrisika azy ireo hifangaro amin’ny fiaraha-monina. Tanjon’ny antoko ihany koa noho izany hoy i Claudy Siar ny fampiroboroboana ny fitoviana, ny rariny ara-tsosialy sy ny fidirana eo ao anaty fiaraha-monina (inclusion).

Marihana fa miady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy mpiaro ny « panafricanisme » ity kandidà ity.

Laisser un commentaire