ConseilTsidika

Torohevitra : Esory amin’ny alalan’ny hoditra pamplemousse ny hodi-potsy

Torohevitra anisan’ny tsotra kanefa mahomby ary ahitana vokany vetivety ny fampiasana ny hoditra pamplemousse na irony karazana voasary lehibe irony, hanalana ny hodi-potsy. Maro no efa nahita vokatsoa tamin’ny fampiasana azy ity.

Ny zavatra ilaina ao anatin’izany dia pamplemousse. Tsotra ny atao, alaina ny sombiny amin’ny hoditra pamplemousse (tsy voasana) dia iny no atsifitra amin’ny faritra misy hodi-potsy, izany hoe ilay ranony ao anaty hodiny somary masiaka iny no ilaina. Avela hiasa eo.

Marihina fa somary mangidihidy malailay rehefa miasa amin’ny hoditra izy io ary mivoaka mibotsimbotsina kely fa hadio kosa ny hoditra aorian’izay. Tsara averina matetika ity fomba ity.

Ankoatra izay, raha tsy mahita pamplemousse de azo atao ny manosotra diloilo kôkô, ilay tsy mitapoka, ny faritra misy hodi-potsy na ihany koa mampiasa vinaigre de cidre,ny vahona na ny tongolo gasy. Ireo akora ireo izay samy manana ny singa mamono ny bacteria ary mamono ireo « champignon » mahatonga ny hodi-potsy.

Manitra R.

Laisser un commentaire