Avaradrano: Simba ny 90% ny volin’ireo tantsaha vokatry ny avandra
Tampoka, tsy nampoizin’ireo tantsaha mpamboly ny fihavian’ny orana nisy avandra omaly alakamisy, izay saika nanerana ny faritra Analamanga. Maro ireo nitondra takaitra vokatr’izany, indrindra ny tao amin’ny distrika Avaradrano. 90% n’ireo vokatra tavela teny an-tsaha no potika, araka ny voalaza.
« Potika avokoa ny vokatra fambolen’ireo tantsaha vokatry ny oram-be narahana avandra, izay naharitra adin’ny 3ora teo. Ny vary no tena lasibatra, ary nisy ihany koa ireo rava tafo trano sy fonenana nandritra izany » hoy ireo tomponanandraikitra avy ao amin’ny kaominina Manandriana.
« Anisan’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro avokoa izao zava-misy eo amin’ny tontolo iainana izao. Lasibatra voalohany hatrany ny tantsaha ary izao dia hisy akony lehibe eo amin’ny fivelomana » hoy i Harilala, mpianatra momba ny fiaraha-monina.
Ny tao amin’ny kaominina Manandriana, Sabotsy Namehana, Ambohimanga rova moa no fantatra fa voa mafy vokatr’ity avandra ity. Saika nitovy avokoa ireo fahavoazana nandritra izany.
Manitra R.
