Toetr’andro : Mbola hitohy ny rotsak’orana amin’ity anio ity
Dépêche 26 mai, 11h, Nahagaga ny maro ny orambe narahina avandra nanerana ny Nosy omaly hariva. Tsy tokony hahataitra anefa izany satria efa voavinavina avokoa ary ara-dalàna tsara. Azo lazaina ho orana manasara-taona ireny ka tsy tokony hahataitra. Raha ny vinavina dia mbola hitohy amin’ity anio ity izany rotsak’orana izany. Mila mailo hatrany araka izany satria ny andro efa mangatsiaka, ny orana ihany koa manaraka ny maripana. Sady ilaina ny mitondra aro orana no ilaina hatrany ny mitondra ny akanjo mafana. Araka izany dia hiditra tanteraka amin’ny vanin’andro ririnina ny eto Madagasikara aorian’io oram-be io.
