Omby alatra iray no miandry ny tompony ao amin’ny biraon’ny Polisy Isotry.
07 Oktobra, 10h20. Mpitandro ny filaminana nanao fisafoana amin’ny alina no nahita ireto olon-dratsy miisa roa lahy nandraoka omby alatra teny amin’ny fokontany Andavamamba tokony ho tamin’ni iray ora alina. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy vatany vao nahita ireo polisy, ilay omby kosa nentina teny amin’ny biraon’ny polisy.
