ActualitésTsidika

Ambohidrabiby : « désossage » , fomba fangalarana ataon’ireo mpangalatr’omby

Nisehoana halatr’omby indray tao Antorilava, kaominina Ambohidrabiby , ny herinandro teo. Tsy tahaka ny mahazatra anefa, fa ataon’ireo mpangalatr’omby « désossage » ireo omby izay nangalariny, ary entiny mandositra avy eo ka ny sisany sisa no itan’ireo mponina.

« Omby nisy nangalatra fa tsy tontosa hatramin’ny farany ny asa ratsy ireo tsy manjary. Hatreto mbola notadiavina ny tompon’ny omby very » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« Mampalahelo ny hiainan’ireo mpiompy omby manoloana ny halatr’omby tato ho ato. Tsy misy fiompiana vanona fa mitaintaina lava noho ny asa ratsy isan-karazany. Hanairana ny mpitandro filaminana hijery ny zava-misy ety ifotony » hoy i Doda, mpiompy.

Tranga miseho tato ho ato ny « désossage » na ny fanalana ny nofon-kena amin’ny omby, izay ataon’ireo mpangalatra. Kaominina maro no efa nahitana ity tranga ity ka tokony handraisana fepetra.

Laisser un commentaire