SocialTatitra

Grèce : Rakotry ny vovoka matevina sy ny fasika avy amin’i Sahara i Athènes

Tranga niseho tao Athènes ny faran’ny herinandro teo. Fotoanan’ny lohataona (Martsa-Aprily) nandalo namakivaky ity renivohitra ity ny rivo-doza Sharav. Ity farany, izay nikisaka niatsinanana, nanaraka ny morontsirak’i Afrika Avaratra ka nitondra vovoka mankany amin’ny faritra atsinanan’i Méditerranée. Io tempêtes  de sables io izay nitondra vovoka 20 hatramin’ny 30 tapitrisisa taonina ny habetevina nentiny. Indraindray aza izany tafakatra hatramin’ny 100 tapitrisa, araka ny nambaran’ny sampana mpamantatra toetr’andro any Grèce. Ity renivohitr’ity firenena ity dia anisan’ny voa mafy tamin’ny fandalovan’izany tempête de sable izany, fa tamin’ity taona ity, niaraka tamin’ny hafanana nihoatra ny mahazatra izany ary tsy azo niainana. Ny alakamisy teo, 25,3°C ny mari-pana tao afovoan’i Athène, izay tsy mbola nisy toy izany hatramin’ny martsa 2009. Manoloana izany dia nanao fanentanana manokana ho an’ireo olona marefo, indrindra ireo olona tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny fiombonan’ny mpitsabo avokavoka tao Grèce, mba tsy hanao hetsika mamizana na mampihetsi-batana eny amin’ny toerana ivelan’ny trano noho io ny fisian’ny singa mety hampidi-doza ao anatin’io rivo matevina mitsoka io.

Laisser un commentaire