ActualitésTatitra

Philippines : Olona am-polony no maty noho ny fahamaizana sambo iray

Sambo iray atao hoe Lady Mary Joy 3 no nirehitra tao amin’ny faritanin’i Basilan. Raha ny tatitry ny governora tao an-toerana, Jim Salliman dia olona 12 no maty vokatr’izany. Zaza ny telo tamin’ireo ary vao enim-bolana ny iray. Ny atoandron’ny alarobia lasa teo no nirehitra ny sambo ka tsy maintsy nitsambikina tao anaty tano ireo mpandeha raha ny fanazavana.

Niala tao Zamboanga City ao amin’ny nosy Mindanao io sambo io ary nikasa hiazo ny nosy Jolo, ao amin’ny faritanin’i Sulu. 195 isa kosa ny mpandeha ary 35 ny mpiasan’ny sambo efa navotan’ireo mpamponjy voina manodidina ny nosy Baluk-Baluk, tao amin’ny faritanin’i Basilan. Olona 14 kosa no fantatra fa naratra ary 7 no mbola tsy hita. Mety mbola hitombo io isan’ny olona tsy hita io hoy i Jim Salliman.

Mbola tsy fantatra mazava ihany koa hatreto ny niandohan’ny afo.

Laisser un commentaire