ActualitésTsidika

Vatsy Tsinjo : Mitohy hatrany ny fizarana

Mitohy hatrany ny fizarana vatsy tsinjo ao amin’ny boriborintany faharoa sy fahefatra ao Antananarivo Renivohitra. Ireo tokantrano tra-boina noho ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo no nisitraka izany.

Vary iray gony milanja 25 kilao sy fonosana iray feno entana ilaina andavan’andro no hita ao anatin’izany fanampiana izany. « Tokantrano miisa 1170 avy amin’ny fokontany roa ao amin’ny boriborintany faharoa, Fokontany Mahazoarivo sy Ambatoroka, no nisitraka ireo fanampiana vatsy tsinjo. Tao amin’ny tobin’ny zandarimaria teo Mahazoarivo no nanatanterahana izany fizaràna izany » hoy ny tompon’andraikitra. « Mitohy ihany koa ny fizarana Vatsy Tsinjo izay ataon’ny Fitondram-panjakana eny amin’ny ANS Ampefiloha. Fianakaviana sahirana miisa 1547 avy ao Ampefiloha Ambodirano aloha no efa nisitraka izany. Mbola hitohy hatramin’ny 24 febroary ny fizarana izany » hoy ny avy ao amin’ny Fitondram-panjakana.

Nisy hatrany ny fitakiana ny karinem-pokontany vaovao sy ny tapakila izay nozarain’ny tompon’andraikitra ho an’ireo mponina rehetra izay tokony hisitraka ny « Vatsy Tsinjo ». Mbola mitohy hatrany ihany koa ny fikarakaran’ny Minisiteran’ny Paositra ireo karinem-pokontany vaovao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire