ActualitésTsidika

Speps Mada : Manameloka tanteraka ny herisetra atao amin’ny mpampianatra EPS

Betsaka ny nanameloka tanteraka ny herisetra natao tamin’i Ramose Njara, mpampianatra EPS ao Andoharofotsy. Isan’ireo nanameloka tanteraka izany ny Sendikan’ny mpampianatra EPS eto Madagasikara Speps Mada.

« Manameloka tanteraka ny fihetsika sy fiteny izay nataon’i Ratsivahiny Andry, solombavambahoaka ao Atsimondrano izahay, izay miendrika tsy fanajana sy fijabahana amin’ny asanay. Niharan’izany ny namanay Njara izay mpampianatra nahavita fiofanana sy mahalala ary mahafehy ny asa sy ny andraikitra maha mpampianatra EPS azy » hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra EPS eto Madagasikara, Razanajatovo Bruno Lando.

« Mankasitraka sy mankahery ity mpampianatra ity mihitsy izahay. Sahy nijoro hatramin’ny farany izy ary tena nanao ny asany. Tsy nijery ny maha zanaka solombavambahoaka an’i Bryan » hoy i Frederic, mpampianatra EPS. « Ny mpampianatra no antoky ny fampitana ny fahalalana amin’ny zanatsika ary tsy maintsy arovana izy. Omeo ny haja, ny hasina, ny lanja sahaza azy satria ny mpampianatra no naha toy izao ahy, anao, antsika ». Hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.

Tetsy an-kilany, nanazava ilay solombavambahoaka, Ratsivahiny Andry fa tsy mpanao tsindrio fa lavo ny tenany, taitra amin’ny maha raim-pianakaviana azy no nanaovany ireny. « Tokony homena fiofanana ny mpampianatra EPS hialana amin’ny ankizy maty eo am-panaovana izany. Izany no antony niantsoako ny Ministra » hoy hatrany izy. Ny EPS dia taranja netina hitaizana sy hanabeazana ny zaza Malagasy. Mpianatra ho olom-banona sy ho olom-pirenena no tanjona nanasiana ny EPS.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire