Sakafo : Maro ireo sakafo tsy tsara ampiarahana, manasarotra ny fandevonan-kanina
Maro ireo sakafo fihinana isan’andro zatra ampiarahina nefa tsy tsara miaraka. Anisan’izany ny kôkômbra sy voatabia izay hafangaro matetika rehefa manao lasary.![]()
Ny fifangaroan’ireo vokatra roa ireo nefa dia mety hiteraka rivotra (gaz intestinaux-ballonnement). Ny antony dia manodidina ny 95% eo ny rano ao anatin’ny kôkômbra ka mora levona izy, ny voatabia kosa dia ela vao levona izay tsy tsara ho an’ny fandevonan-kanina.![]()
Tafiditra ao anatin’ireo sakafo ireo ihany koa ny ovy sy ny hena. Tsy tsara miaraka ny proteina sy ny « féculent», antony ny tsy fitovian’ny làlan’ny fandevonan’ny « amidon » ao amin’ny « féculent » sy ny proteina ka mahatonga ny vavony havesatra.![]()
Ankoatra izay dia tsara fadiana ihany koa ny fifangaroan’ny kafe sy ny ronono velona. Misy singa antsoina hoe « tanins » ao amin’ny kafe mampivaingana ny « caséine » na ny proteina ao anaty ronono izay hita ao amin’ny ronon’omby sy ondry aman’osy ka nampiadana ny fandevonan-kanina.Mbola maro ireo sakafo fihinana amin’ny fiainana andavanandro hafangaro manasarotra ny fandevonan-kanina ireo. Maro ireo efa mahatsapa fa mahavesatra ny vavoniny na misalebolebo izy rehefa mihinana izany.
