SocialTsidika

Ny « takalo » tokony hiverina ve ? Mety hiverina ve ?

Ny fifanakalozana rehetra amin’izao fotoana dia miainga amin’ny vola avokoa. Na hividy sakafo, fitafy, na hianatra, na hitsabo tena, eny fa na ny toeram-pivoahana aza dia ilaina vola avokoa. Tsy mora anefa ny mitady azy io, ary misy fotoana tsy mahita mihitsy, anefa manana zavatra hafa afaka hanefana ny zavatra tadiavina. Mety ho akoho izany, mety ho vary izany, anefa tsy mahazo na inona na inona rehefa tsy misy vola. Ka tokony ho averina ve ny takalo ? Sa tokony hisy toeram-pitsaboana mandray zavatra tahaka an’izany ary manome fitsaboana ireo olona, na misy toeram-pianarana sy toeram-pivarotana ihany koa.

Laisser un commentaire