Isika ihany no mizaka ny zavatra ataontsika amin’ity aretina ity
Miala amin’ny asa an-davan’andro, mba miala voly kely sy mivoaboaka, izay no tena fanaon’ny olona mahazatra isakin’ny Alatsinainy Paska. Fa niova kosa anefa nanomboka tamin’ny Alatsinainy paska tamin’ny taon-dasa ka ny Alatsinainy ny Paska lasa teo. Eo ny ady iombonambe amin’ny Covid-19 ka ny Praimisitra Ntsay Christian aza efa nilaza fa aoka tsy hisy hivoaka ny trano mandritra ny fety akoatr’ireo izay tsy afa-manoatra ihany. Toa ny teny raha ny tany Antsirabe manokana, nilamina sy nangina tsara ny tanana ka samy nijanona tan-tranony ny ankamaroan’ny mponina akoatr’ireo izay tsy maintsy mivoaka ihany noho ny antony tsy azo anoharana. Izany rehetra izany no tanteraka dia noho ny fanentanana maro isan-karazany nataon’ny zandarimaria sy ny faritra Vakinakaratra. Teo ihany koa ny fanakatonana sy fametrahana ny sakana ireo toeram-pitsangatsanganana nataon’ny mpitandro filaminana toy ny Parc de l’Est, Andraikiba sy Tritriva ary ny araben’ny fahaleovantena. Fa tsy toy izany kosa ny tany Toamasina, nataon’ny olona ho toy ny tsy nisy mihitsy ny aretina tamin’io andro iray io, nitangorona sy niara-paly ny vahoaka tany Toamasina. Tsy nisy ary ve ny fandaminana sy ny fanentanana ara-pahasalamana sa izay alehany any alehany ? Gaboraraka tateraka ny ara-pahasalamana raha ny tany an-toerana betsaka no nanome tsiny ary tsy vitsy kosa ny niteny hoe « aleo izahay hifety fa ef aho lava ity raetina ity » raha toa ka napetraka aza ny hamehana ara-pahasalamana. Raha ny teto an-drenivohitra indray, nifety ny olona. Tomefy olona ny tanàna indrindra ny teny amin’ny RN 7 Ambatofotsy sy By Pass iny. Tadidio fa ny fihetsika ataontsika ihany no raisintsika ny vokany. Manahy ny mety hisian’ny fihibohana ny ankamaroan’ny maro raha vita ity 15 andro ity. Sarotra ny mifehy ny vahoaka fa ny tsapa dia tia fety ny Malagasy.
Nicole Rafalimananjara
