ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mandeha ny fanentanana mahakasika ny fahadiovana

Mitohy ary mandeha hatrany ny fanentanana ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely mahakasika ny fahadiovana ao an-toerana. Mbola maro ireo mponina, mpanary fako no tsy manaja ny toeram-panariana fako ka mahatonga ny fako hiparitaka ivelan’ny toeram-panariana fako. Araka ny voalaza, efa nisy ny fivoriana natao mahakasika ny olan’ny fako tamin’ireo mponina.

« Manentana hatrany ny mponina ny kaominina mba hanary ny fako anaty daba-pako fa tsy hanary izany eo ivelan’ny fanarim-pako fotsiny. Efa nisy ihany koa ny fivoriana izay natao isaky ny fokontany mahakasika ny tokony hananan’ny toka-trano tsirairay daba-pako na lava-pako. Tokony samy hanana izany avokoa ny isan-tokatrano » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Tsy tokony hiandry baiko na fanentanana avy amin’ny tomponandraikitra foana vao hahatsapa tena amin’ny fanalana na fandiovana ny fako tandrifin’ny tena. Ny fametrahana sazy no tokony hataon’ny tomponandraikitra ka izay tratra manaparitaka ny fako dia hiaran’ny sazy na dina avy hatrany » hoy i Saholy, mponina ao Ambohimangakely.

Anisan’ny ezaka tokony hataon’ny tsirairay ny fandraisana andraikitra manoloana ny olan’ny fako. Misy ihany koa anefa, amin’ny lafiny iray, ireo fanentanana tokony hatao anefa mahakasika ireo fomba hatao amin’ny fanodinana ireo karazana fako izay tokony havadika akora fototra mba hanenàna ny fako miparitaka.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire