ActualitésTsidika

Fifamoivoizana : Mifindra toerana ny ivon-toeram-panalana fanadinana familiana fiarakodia

Hisy ny fandaminana vaovao mahakasika ny toerana hanaovana ny fanadinana familiana fiarakodia ka hafindra toerana ao Soarana ao amin’ny Madarail izany manomboka ny 17 oktobra. Andalam-pamitana ny fanamboarana ity toerana izay handraisana ireo mpiadina ireo ny tompon’andraikitra ankehitriny.

« Tsy maintsy havaozina ihany koa ny fomba fiasa sy ny lamina hampirindrana ny fanadinana toy itony. Hafenina ny anaran’ny mpiadina, foanana ny fiantsoana ny anarana na ny “appel” ary mivadika ho “sur rendez-vous” avokoa ny fotoana hanaovana izany fanadinana izany », hoy ny tompon’andraikitra.

« Efa manakaiky anay izany, enga anie mba tena ho araka izay maha “anonymat” azy izay fa tsy hisy intsony ny kolikoly. Ireny olona nahazo permis de conduire baoritra tamin’ny alalan’ny kolikoly ireny manko no tena miteraka lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona betsaka », hoy Tahiry, mpianatra sociologie eny Ankatso.

Latabatra boribory teo anivon’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny ATT, ny solontenan’ny Bianco ary ny avy amin’ireo auto-école no nahafahana namoaka ireo lamina vaovao ireo mba hampirindra ny fanadinana.

Miora Raharisolo 

RépondreRépondre à tousTransférer

Laisser un commentaire