Afghanistan : Manahy ny fiantrakain’ny toe-draharaha ao Afghanistan amin’i Sahel i Antonio Guterres
Manahy i Antonio Guterres, sekretera jeneralin’ny ONU fa hanome hevitra ireo vondrona jihadiste mitam-piadiana ao Sahel ity toe-javatra misy ao Afghanistan ity. Tsiahivina fa ireo Taliban no mitondra ao Afghanistan ankehitriny. Manahy ireo vondrona fanatika ihany koa ireo tompon’andraikitra sao vonona amin’ny zava-drehetra ireo mampihorohoro ireo amin’ny fahatratrany izay tanjona kendreny, hatramin’ny famonoana olona.Nanampy ny tafika tao Sahel ny firenena mikambana, ary namatsy vola izany ny fikambanana. Manahy kosa ny Etats-unis mpamatsy vola voalohany ao amin’ny ONU fa sao hivadika ireo tafika alefa ao Mali ireo.
