ActualitésTatitra

Ouganda : Miakatra ny taham-pahafatesan’ny Ebola

Nanao tatitra manoloana ny fisian’ny Ebola ao Ouganda ny OMS. Raha ny antontanisan’ny herinandro lasa teo dia olona 29 no lavon’ny aretina izay mpiasan’ny fahasalamana ny 4. Raha ny nambaran’i Tedros Adhanom Ghebreyesus kosa dia mahatratra 63 ny tranga voamarina ary tafiditra ao anatin’izany ireo trangam-pahafatesana ireo.

Marihana fa ny 23 septambra teo no nahita trangam-pahafatesan’ny Ebola voalohany tao an-toerana hatramin’ny taona 2019. Nitondra « souche » tsy fahita firy antsoina hoe « soudanaise » izay tamin’ny taona 2012 no hita farany tao Ouganda io tranga voalohany io raha ny tatitrin’ny OMS.

Laisser un commentaire