Actualités

Fanatanterahana ny fifanarahana Nagoya eto Madagasikara.

Ny 29 oktobra 2010, nisy ny fifanarahana tany Nagoya izay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zavamananaina nolanian’ireo firenena ao anatin’izany fifanarahana izany ny 29 oktobra 2010. Ny tanjona fototr’ity fifanarahana ity dia ny mba hisian’ny fitsinjarana mitovy sy ara-drariny ireo tombony azo avy amin’ny fampiasana ny « ressources génétiques ». Izay avo avy amin’ny zavamaniry, ny biby, sy ny maro hafa na io amin’ny lafiny ara-barotra, na fikarohana ary mety ho amin’ny antony hafa ihany koa. Araka izany vita ny 23 martsa teo tao amin’ny « Le Pavé » tao Antaninarenina ny atrikasa izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra nampahafantarana ny tetik’asa APA (Accès et Partage des Avantages). Mifandraika indrindra amin’ny fampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin’ny governemanta Malagasy (Protocole de Nagoya). Hotanterahana mandritra ny telo taona ho avy ity tetik’asa novolavolaina ity. Ilaina ny manatanteraka ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny sehatra maro samy hafa ary ihany koa ny fandraisan’anjara mavitrika sy ny fampahalalana eo amin’ireo sehatra maro samihafa izay miara-miasa amin’ny minisiteran’ny tontolo ianina sy ny fandrosoana lovainjafy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire